1 Kings 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga vinanton’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Solomona. Nanambady ny zanakavavin’i Farao izy ary nitondra azy ho ao an-Tanànan’i Davida mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon’NY TOMPO ary ny manda manodidina an’i Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy fihavanam-panambadiana nampiray an’i Salômôna tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, fa nanambady ny zanaka vavin’i Faraôna izy, dia nitondra azy ho ao an-tanànan’i Davida, mandra-pahatapitra ny fanorenana ny tranony sy ny tranon’i Iaveh ary manda manodidina an’i Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga vinantolahin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta i Salômôna tamin’ny nanambadiany ny zanany vavy. Nentiny nankany an- tanànan’i Davida ny vadiny mandra-pahavita ny lapany sy ny tranon’ny TOMPO ary ny manda manodidina an’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga vinanton’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Solomona. Nanambady ny zanakavavin’i Farao izy ary nitondra azy ho ao an-Tanànan’i Davida mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon’NY TOMPO ary ny manda manodidina an’i Jerosalema.
malagasy
[Ny nanambadian'i Solomona ny zanakavavin'i Farao, ary ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona, sy ny nangatahany fahendrena] Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.