1 Kings 3:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao fa tsy ny ho ela velona, na ny hanankarena, na ny ain’ny fahavalonao, fa satria fahaizana hitsara no nangatahinao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy Andriamanitra taminy: «Noho ianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka dia hoy Izy tamin’ny mpanjaka: –Nangataka izany zavatra izany ianao; tsy ny ho ela velona na ny harena, na koa ny hahafaty ireo fahavalonao no nangatahinao fa kosa fahaiza-manavaka hitondrana ny vahoaka amim-pahamarinana.
Malagasy Bible 1865
ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao fa tsy ny ho ela velona, na ny hanankarena, na ny ain’ny fahavalonao, fa satria fahaizana hitsara no nangatahinao,
malagasy
ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,