1 Kings 3:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nahatsiaro i Solomona ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy dia nitsangana teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahatsiaro i Salômôna ary nahalala fa nofy izany. Ary nony tafaverina tany Jerosalema izy, dia nitoetra teo anatrehan’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh, ka nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana ary nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nifoha i Salômôna, dia nahatsapa fa nitenenan’Andriamanitra tamin’ny nofy. Niverina tany Jerosalema izy, ary nitsangana teo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ka nanatitra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana; avy eo izy dia nanao fanasana ho an’ny tandapany rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nahatsiaro i Solomona ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy dia nitsangana teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra izy.
malagasy