1 Kings 3:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony efa niteraka hateloana aho dia mba niteraka koa Ravehivavy ity. Izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano fa izahay roa vavy ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka hateloana ny niterahako, dia mba teraka koa ravehivavy io. Niara-nonina izahay, ary tsy nisy olon-kafa niaraka taminay tao an-trano; fa izahay roa vavy ihany no tao an-trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa telo andro taorian’ny fiterahako, dia mba teraka ny zanany koa io vehivavy io. Izahay roa vavy ihany no tao an-trano fa tsy nisy olon-kafa ankoatra anay.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony efa niteraka hateloana aho dia mba niteraka koa Ravehivavy ity. Izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano fa izahay roa vavy ihany.
malagasy
Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.