1 Kings 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany anefa ny olona fa tsy mbola nisy trano vita ho an’ny anaran’NY TOMPO hatramin’izany andro izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa teny amin’ny fitoerana avo ihany no nanaovan’ny vahoaka sorona, fa mbola tsy nisy trano natao ho an’ny anaran’i Iaveh hatramin’izany andro izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tamin’izay ny olona dia mbola nanao sorona teny amin’ny toeram-panasinana ihany, satria tsy mbola nisy ny trano voatokana hanajana ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ny toerana fanaovana sorona ihany anefa ny olona fa tsy mbola nisy trano vita ho an’ny anaran’NY TOMPO hatramin’izany andro izany.
malagasy
Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.