1 Kings 3:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin’ilay natory iny aho mpanompovavinao, dia nampandriany teo an-tratrany, fa ny azy maty no napetrany teo an-tratrako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nony nisasaka ny alina, niarina izy, nalainy ny zanako teo anilako, raha ilay mbola natory iny ny ankizy vavinao, ka io no nampandriny teo an-tratrany, fa ny zanany efa maty no nampandriny teo an-tratrako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tamin’ny misasakalina dia niarina izy naka ny zanako teo anilako raha ilay mbola natory iny aho, ka nampandriany teo anilany; fa ny azy maty kosa no nataony teo anilako.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin’ilay natory iny aho mpanompovavinao, dia nampandriany teo an-tratrany, fa ny azy maty no napetrany teo an-tratrako.
malagasy
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.