1 Kings 3:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, dia indro fa maty. Kanjo rehefa nofantariko izy nony maraina dia hitako fa tsy ny zanako naterako!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niarina aho tamin’ny maraina hampinono ny zanako, dia indro fa maty izy. Nodinihiko tsara anefa ity izy nony maraina, ka hitako fa tsy ilay zanako naterako akory.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho anikeheo maraina, dia indro fa maty izy. Kanjo rehefa nofantariko nony nazava ny andro, dia hitako fa hay tsy ny zanako naterako akory io.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, dia indro fa maty. Kanjo rehefa nofantariko izy nony maraina dia hitako fa tsy ny zanako naterako!
malagasy
Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.