1 Kings 3:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy kosa anefa ilay iray: Tsia! Ny velona no zanako fa ny maty no zanakao. Nefa hoy indray ny iray: Tsia! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako. Izany no tenin’izy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ilay vehivavy anankiray: «Tsia fa ny zanako naterako no velona, ary ny zanakao no maty.» Fa namaly ity anankiray nanao hoe: «Tsy izany velively, fa ny zanakao no maty, ary ny zanako no velona.» Dia nifanditra toy izany teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay, dia hoy kosa ilay vehivavy faharoa: –Tsia! Ny velona no zanako, fa ny maty no anao! Dia hoy ilay voalohany: –Tsia! Ny maty no zanakao, fa ny velona no ahy! Nifanditra toy izany teo anatrehan’ny mpanjaka izy roa.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy kosa anefa ilay iray: Tsia! Ny velona no zanako fa ny maty no zanakao. Nefa hoy indray ny iray: Tsia! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako. Izany no tenin’izy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka.
malagasy