1 Kings 3:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa niteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy, renin’ny zaza velona, satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ny zanany ka hoy izy hoe: Tompokolahy ô, trara antitra ianao! Omeo azy ihany ary ny zaza velona fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao fa zarao e!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niteny tamin’izay ity vehivavy tompon’ny zaza velona; fa nahatsiaro mangoraka ny fony noho ny amin’ny zaza, ka hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Tompokolahy ô, omeo azy re ny zaza velona; fa aza dia vonoina!» Fa hoy kosa ity anankiray: «Aoka tsy ho ahy, tsy ho anao, fa zarao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa onena mafy an-janany kosa ilay vehivavy renin’ny zaza velona, ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: –Ry andriamanjaka ô, aoka re homena azy ihany ny zaza velona, fa aza dia vonoina ho faty! Fa hoy kosa ny iray: –Zarao roa mihitsy ny zaza, fa amin’izay dia samy tsy manana.
Malagasy Bible 1865
Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa niteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy, renin’ny zaza velona, satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ny zanany ka hoy izy hoe: Tompokolahy ô, trara antitra ianao! Omeo azy ihany ary ny zaza velona fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao fa zarao e!
malagasy