1 Kings 3:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nankany Gibeona mba hamono zavatra hatao fanatitra any ny mpanjaka, fa izany no toerana fanaovana sorona lehibe indrindra. Fanatitra dorana manontolo miisa arivo no naterin’i Solomona teo amin’izany alitara izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nankany Gibehôna ny mpanjaka mba hanao sorona, fa tany no toeram-pisoronana malaza indrindra. Sorona dorana manontolo arivo no naterin’i Salômôna teo amin’izany alitara izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nankany Gibeona mba hamono zavatra hatao fanatitra any ny mpanjaka, fa izany no toerana fanaovana sorona lehibe indrindra. Fanatitra dorana manontolo miisa arivo no naterin’i Solomona teo amin’izany alitara izany.
malagasy
Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.[Heb. lehibe]