1 Kings 3:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Solomona: Ianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ny fony taminao; ary Ianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navalin’i Salômôna: «Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao, araka ny nandehanany teo anatrehanao, tamin’ny tsy fivadihana, sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao; notohizinao izany fitiavana lehibe izany, ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy, araka izao hita izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Salômôna: –Efa nanehoanao fitia lehibe i Davida raiko sady mpanomponao, araka ny nizorany teo anatrehanao tamin’ny toetra mahatoky sy marina sady mahitsy fo; ary notehirizinao ho azy izany fitia lehibe izany, fa nomenao zanakalahy izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany izy tahaka izao hita anio izao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Solomona: Ianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ny fony taminao; ary Ianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy