1 Kings 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, Ianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko; nefa izaho moa mbola zaza ihany ka tsy fantatro akory izay tokony hataoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao, kanefa izaho dia mbola tanora loatra ka tsy mahay mitondra akory.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, Ianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko; nefa izaho moa mbola zaza ihany ka tsy fantatro akory izay tokony hataoko.
malagasy
Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.