1 Kings 4:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
i Beny-Gebera no tao Ramota-Gileada; ireo tanànan’ny mpitoetra an-tranolay izay an’i Jaira, zanak’i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tanin’i Argoba, izay any Basana, dia tanàna enimpolo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ben-Gabera tao Ramôtan’i Galaada; izao no azy: Ny tanàna madinik’i Jaira, zanak’i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe 60, mimanda sy misy hidy varahina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;
Malagasy Bible 1865
Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
i Beny-Gebera no tao Ramota-Gileada; ireo tanànan’ny mpitoetra an-tranolay izay an’i Jaira, zanak’i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tanin’i Argoba, izay any Basana, dia tanàna enimpolo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
malagasy
Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina; [Havota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41]