1 Kings 4:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Joda sy ny Israely moa dia tena maro ka tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony. Nihinana sy nisotro ny olona sady nifaly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny mponin’i Joda sy i Israely dia marobe tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Nanan-kohanina sy hosotroina ireo ka niaina finaritra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Joda sy ny Israely moa dia tena maro ka tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony. Nihinana sy nisotro ny olona sady nifaly.
malagasy
Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.