1 Kings 5:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nilaza ny amin’ny hazo izy, hatramin’ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ny hisopa izay maniry eny amin’ny rindrina; mbola nilaza ny amin’ny biby, ny voromanidina, ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao lahateny momba ny zava-maniry izy, hatramin’ny hazo sedera maniry any Libàna ka hatramin’ny hisopa mitsimoka eny amin’ny ampiantàny. Nandaha-teny momba ny biby efa-tongotra sy momba ny voromanidina koa izy, mbamin’ny biby mandady aman-kazandrano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niteny momba ny karazan-kazo izy, manomboka amin’ny hazo sederan’i Libano ka hatramin’ny hisôpa izay maniry eny am-bodirindrina; niteny momba ny biby koa izy, dia ny vorona sy ny biby mandady ary koa ny trondro.
Malagasy Bible 1865
Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nilaza ny amin’ny hazo izy, hatramin’ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ny hisopa* izay maniry eny amin’ny rindrina; mbola nilaza ny amin’ny biby, ny voromanidina, ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa izy.
malagasy
Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.