1 Kings 5:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naniraka ny mpanompony ho any amin’i Solomona i Hirama, mpanjakan’i Tiro, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby ny rainy. I Hirama dia sakaizan’i Davida hatry ny ela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Hirama, mpanjakan’i Tira, naniraka ny mpanompony ho any amin’i Salômôna, fa reny hoe voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy izy, ary sakaizan’i Davida hatrany hatrany i Hirama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Hirama mpanjakan’i Tiro dia sakaizan’i Davida hatramin’ny ela. Nanirahany solotena i Salômôna, satria reny fa voahosotra ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naniraka ny mpanompony ho any amin’i Solomona i Hirama, mpanjakan’i Tiro, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby ny rainy. I Hirama dia sakaizan’i Davida hatry ny ela.
malagasy
[Ny namorian'i Solomona izay ho enti-manao ny tempoly] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.