1 Kings 5:19 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa indro, izaho dia mikasa hanao trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro, araka ilay nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ny anarako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka indro aho mikasa hanao trano ho an’ny anaran’i Iaveh Andriamanitro, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’i Davida, raiko, hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao, handimby anao, no hanao ny trano ho an’ny Anarako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka indro mikasa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro aho, dia araka ilay nolazain’ny TOMPO tamin’i Davida raiko hoe: «Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, no hanao ny trano ho voninahitro.»
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa indro, izaho dia mikasa hanao trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro, araka ilay nolazain’NY TOMPO tamin’i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ny anarako.
malagasy
Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako.