1 Kings 5:20 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mba asaivo misy manapaka hazo sedera ho ahy any Libanona. Ny vahoakako no hiaraka amin’ny vahoakanao, koa ny karaman’ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona mahay manapaka hazo tahaka ny Sidoniana atỳ aminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny asaovy misy mikapa hazo sedera ho ahy, any Libàna. Hiaraka amin’ny mpanomponao ny mpanompoko, ary homeko anao ho karaman’ny mpanomponao izay rehetra holazainao, satria fantatrao fa tsy mba misy olona mahay mikapa hazo, toy ny Sidonianina, atỳ aminay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mamoaha didy ianao mba hisy mpiasanao hikapa hazo sedera ho ahy any Libano. Hiaraka hankany ny mpiasanao sy ny mpiasako, ka ny karaman’ny mpiasanao dia homeko anao manontolo araka izay hotononinao, satria fantatrao fa tsy mba misy olona mahay mikapa hazo toy ny Fenisianina atỳ aminay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mba asaivo misy manapaka hazo sedera ho ahy any Libanona. Ny vahoakako no hiaraka amin’ny vahoakanao, koa ny karaman’ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona mahay manapaka hazo tahaka ny Sidoniana atỳ aminay.
malagasy
Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.