1 Kings 5:21 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Hirama ny tenin’i Solomona dia faly tokoa izy ka niteny hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie NY TOMPO, izay nanome zanakalahy hendry ho an’i Davida mba hitondra izao olona marobe izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faly indrindra i Hirama nony nandre ny tenin’i Salômôna ka nanao hoe: «Hankalazaina anie i Iaveh ankehitriny fa nomeny zanaka hendry i Davida, hanapaka izany vahoaka be izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faly aoka izany i Hirama raha vao nandre ny tenin’i Salômôna, ka nanao hoe: «Ankehitriny dia hisaorana anie ny TOMPO noho ny nanomezany zanakalahy hendry an’i Davida mba hanjaka amin’izao vahoaka marobe izao!»
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Hirama ny tenin’i Solomona dia faly tokoa izy ka niteny hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie NY TOMPO, izay nanome zanakalahy hendry ho an’i Davida mba hitondra izao olona marobe izao.
malagasy
Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.