1 Kings 5:23 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vahoakako no hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin’ny ranomasina, ary hofeheziko ireo ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ny rano ho any amin’izay toerana hotononinao, ary any izy vao hoborahiko ka ianao no hampaka azy. Ary ianao dia hanatanteraka izay iriko amin’ny fanomezana sakafo ho an’ny ankohonako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampidinin’ny mpanompoko ho any amin’ny ranomasina izany avy any Libàna, dia hampitaiko ny ranomasina izany, ho any amin’izay toerana hotondroinao, any vao asaiko hovahany izy, hampanalainao. Ary ianao kosa hanatanteraka ny faniriako amin’ny famononan-kanina ho an’ny ankohonako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpiasako no hitondra ireo avy any an-tendrombohitra Libano hankany an-dranomasina; dia hasaiko fehezina ho zahatra sy hatsinkafona ambony rano halefa amin’ny toerana izay hotondroinao, ary any vao hampamahako ka hampanalainao. Ho setrin’izany kosa anefa dia homenao ahy ny sakafo ilaiko hamatsiana ny fianakaviako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vahoakako no hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin’ny ranomasina, ary hofeheziko ireo ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ny rano ho any amin’izay toerana hotononinao, ary any izy vao hoborahiko ka ianao no hampaka azy. Ary ianao dia hanatanteraka izay iriko amin’ny fanomezana sakafo ho an’ny ankohonako.
malagasy
Ny vahoakako hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako.