1 Kings 5:25 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Solomona kosa nanome an’i Hirama varimbazaha roa alina kora ho sakafon’ny ankohonany, ary diloilo roapolo kora avy amin’ny oliva voatoto; ireo no nomen’i Solomona an’i Hirama isan-taona isan-taona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny nomen’i Salômôna an’i Hirama kosa, dia varimbazaha 20.000 kora, sy diloilo avy amin’ny ôliva voatoto 20 kora, ka isan-taona i Salômôna manome toy izany an’i Hirama ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary i Salômôna kosa, ho setrin’izany, dia namatsy varimbazaha enina arivo taonina sy menak’ôliva madio valo arivo litatra isan-taona ny fianakavian’i Hirama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Solomona kosa nanome an’i Hirama varimbazaha roa alina kora* ho sakafon’ny ankohonany, ary diloilo roapolo kora avy amin’ny oliva voatoto; ireo no nomen’i Solomona an’i Hirama isan-taona isan-taona.
malagasy
Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona isan-taona.