1 Kings 5:28 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nirahiny nankany Libanona ireny ka iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana ireo no tany Libanona fa roa volana kosa mba tany an-tranony. I Adonirama no nifehy azy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no nirahiny hankany Libàna nifandimby isam-bolana, natao 10.000 avy, ka iray volana izy no tany Libàna, roa volana kosa tany an-tranony, ary i Adônirama no nifehy ny olona mpanao fanompoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalefany nifambimby nankany Libano ireo, izany hoe 10 000 no indray milatsaka isam-bolana, ka iray volana izy tany Libano ary roa volana kosa tany an-tranony. I Adônirama no mpifehy azy rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nirahiny nankany Libanona ireny ka iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana ireo no tany Libanona fa roa volana kosa mba tany an-tranony. I Adonirama no nifehy azy rehetra.
malagasy
Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.