1 Kings 5:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nanapaka tamin’ny tany rehetra atỳ andafin’ny ony Eofrata, hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ny mpanjaka rehetra etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary tsara fihavanana tamin’ireo rehetra manodidina izy ka notoavin’ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa izy no nanapaka ny tany rehetra an-dafin’ny ony, hatrany Tafsà ka hatrany Gazà, dia tamin’ny mpanjaka rehetra an-dafin’ny ony, ary nandry fahalemana izy tamin’izay rehetra nanoa azy hatraiza hatraiza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nanapaka ny faritany manontolo any atsimo andrefan’ny ony Eofrata, hatreo Tifsà ka hatrany Gazà i Salômôna, dia tamin’ny mpanjaka rehetra tatỳ atsimo andrefan’ny Ony; ary tsara fihavanana tamin’ireo firenena rehetra nanodidina azy izy.
Malagasy Bible 1865
Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nanapaka tamin’ny tany rehetra atỳ andafin’ny ony Eofrata, hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ny mpanjaka rehetra etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary tsara fihavanana tamin’ireo rehetra manodidina izy ka notoavin’ireny.
malagasy
Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.[Na: any][Eofrata]