1 Kings 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo mpifehy voatendry dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’i Solomona mpanjaka sy izay rehetra noentina teo amin’ny latabatr’i Solomona mpanjaka; izy rehetra koa dia samy niadidy ny amin’ny iray volana anjarany avy ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novonoin’ireo mpikarakara hanina samy amin’ny volana anjarany avy izay hanina nilain’i Salômôna mpanjaka sy ireo rehetra voaray hiray latabatra amin’i Salômôna mpanjaka, ka tsy navelany hisy tsy ampy na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo governora ireo no namatsy isam-bolana an’i Salômôna mpanjaka sy izay navela hiray latabatra aminy, ka tsy navelany ho nisy zavatra tsy ampy na inona izany na inona.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny: latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo mpifehy voatendry dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’i Solomona mpanjaka sy izay rehetra noentina teo amin’ny latabatr’i Solomona mpanjaka; izy rehetra koa dia samy niadidy ny amin’ny iray volana anjarany avy ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
malagasy