1 Kings 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noentiny ho ao amin’ny toerana izay tokony hitondrana azy koa ny varimbazaha sy ny mololo ho an’ny soavaly tsotra sy ny soavaly haingam-pandeha, samy araka ny anjara asany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny soavaly mpitarika kalesy sy fitaingina koa, dia nitondrany orja amana mololo tany amin’izay toerana nisy azy, samy araka izay nandidiana azy avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ôrza sy ny mololo ho an’ny soavaly rehetra dia nentin’ny governora teo amin’ny toerana nisy ny mpanjaka, samy araka ny baiko azony avy.
Malagasy Bible 1865
Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noentiny ho ao amin’ny toerana izay tokony hitondrana azy koa ny varimbazaha sy ny mololo ho an’ny soavaly tsotra sy ny soavaly haingam-pandeha, samy araka ny anjara asany avy.
malagasy
Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.