1 Kings 6:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanangana paosin-trano manodidina ny Trano izy; dimy hakiho avy ny haavony ary hazo sedera no nikambanany tamin’ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nataony ny rihana manolotra ny trano manontolo izay nisy dimy hakiho ny haavony, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin’ny trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny paosin-trano natao manodidina dia mirefy roa metatra sy sasany ny haavony isaky ny rihana, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin’ny rindrin’ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanangana paosin-trano manodidina ny Trano izy; dimy hakiho avy ny haavony ary hazo sedera no nikambanany tamin’ny Trano.
malagasy
Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano.