1 Kings 6:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ity trano ataonao ity, raha mandeha araka ny lalànako sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ianao ka manaraka azy dia hotanterahiko aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ity trano ataonao ity... raha mandeha araka ny lalàko ianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ka mampifanaraka ny fitondran-tenanao amin’izany, dia ho tanteraka aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
koa raha mizotra araka ny lalànako ianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra, dia hotanterahiko aminao ny fampanantenana izay nataoko tamin’i Davida rainao;
Malagasy Bible 1865
Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ity trano ataonao ity, raha mandeha araka ny lalànako sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ianao ka manaraka azy dia hotanterahiko aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao;
malagasy