1 Kings 6:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nopetahany hazo sedera ny rindrina anatiny amin’ny Trano; hatreo amin’ny vodirindrina ka hatrany amin’ny loharindrina dia nopetahany hazo avokoa; hazo kipreso kosa no nataony gorodon’ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nopetahany hazo fisaka sedera ny ati-rindrin-trano, hatramin’ny tokotanin-trano ka hatramin’ny valin-drihana, vitany peta-drindrina avokoa ny ao anatiny, ary ny tokotanin-trano norakofany tamin’ny hazo fisaka sipresa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia norakofany hazo sedera ny rindrina anatiny hatreo ambany ka hatrany ambony; ary hazo fisaka kipreso no nataony gorodona.
Malagasy Bible 1865
Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nopetahany hazo sedera ny rindrina anatiny amin’ny Trano; hatreo amin’ny vodirindrina ka hatrany amin’ny loharindrina dia nopetahany hazo avokoa; hazo kipreso kosa no nataony gorodon’ny Trano.
malagasy
Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.