1 Kings 6:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nosoratany sary voantango sy voninkazo mivelatra ny sedera ao anatin’ny Trano; sedera avokoa ny hazo rehetra fa tsy nisy vato niseho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hazo sedera tamin’ny ati-trano, dia voasikotra vita sarim-boantango sy voninkazo mivelatra. Sedera avokoa izy manontolo fa ny vato tsy nisy hita akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hazo sedera izay tao anatin’ny tempoly dia voaravaka asa sokitra misarim-boatango sy voninkazo mivelatra; vita tamin’ny sedera avokoa izany ka tsy nisy mihitsy vato niseho.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nosoratany sary voantango sy voninkazo mivelatra ny sedera ao anatin’ny Trano; sedera avokoa ny hazo rehetra fa tsy nisy vato niseho.
malagasy
Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.