1 Kings 6:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanangana ny fitoerana masina indrindra tao anatin’ny Trano izy mba hametrahany ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hametrahana ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh no nanamboarany ny Fitoerana Masina, tao anatin’ny trano, tarỳ anatiny indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo amin’ny faritra afovoan’ny tempoly dia namboarana efitrano iray hametrahana ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanangana ny fitoerana masina indrindra tao anatin’ny Trano izy mba hametrahany ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
malagasy
Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.