1 Kings 6:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, izay roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho koa ny haavony, sady voapetaka takelaka volamena tsy miharo, dia nisy alitara izay nopetahany hazo sedera.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny atin’ny Fitoerana Masina, dia roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, roapolo hakiho ny haavony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efamira io efitrano io ka samy nirefy folo metatra ny lafiny rehetra ary folo metatra koa ny haavony. Nopetahan’i Salômôna takela-bolamena tsara sady madio ny atin’io efitrano io ary koa ny atin’ny tempoly manontolo. Teo amin’ny fidirana mankao amin’io efitrano io dia nasiana rojo volamena hisakana ary nametrahana alitara hazo sedera nopetahana takela-bolamena.
Malagasy Bible 1865
Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo anoloan’ny fitoerana masina indrindra, izay roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho koa ny haavony, sady voapetaka takelaka volamena tsy miharo, dia nisy alitara izay nopetahany hazo sedera.
malagasy