1 Kings 6:21 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nopetahan’i Solomona takelaka volamena voafantina koa ny atin’ny Trano no nasiany rojo volamena misakana eo anoloan’ny fitoerana masina indrindra izay nopetahany takelaka volamena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nopetahan’i Salômôna volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny ôtely. Nopetahan’i Salômôna volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan’ny Fitoerana Masina, izay norakofany volamena koa.
Malagasy Bible 1865
Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nopetahan’i Solomona takelaka volamena voafantina koa ny atin’ny Trano no nasiany rojo volamena misakana eo anoloan’ny fitoerana masina indrindra izay nopetahany takelaka volamena.
malagasy