1 Kings 6:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tao anatin’ny fitoerana masina indrindra dia nasiany kerobima roa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy. Samy folo hakiho avy ny haavony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, no nataony tao anatin’ny Fitoerana masina, folo hakiho avy no haavony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’io efitrano misy ny Vatamasina io dia namboarana kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva izay samy nirefy dimy metatra ny haavony. Ny voalohany dia nanana elatra roa metatra sy sasany ny halavany, izany hoe dimy metatra no elanelan’ny tendron’elatra anankiroa. Ny faharoa koa dia nirefy dimy metatra, ary nitovy refy sy bika tamin’ilay voalohany ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tao anatin’ny fitoerana masina indrindra dia nasiany kerobima* roa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy. Samy folo hakiho avy ny haavony.
malagasy
Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony.