1 Kings 6:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny kerobima dia nataony tao afovoan’ny Trano anatiny. Namelatra ny elany ireo, koa ny elatry ny kerobima voalohany sy faharoa dia samy nipaka amin’ny rindrina tandrify azy avy, ary ny elatr’izy ireo dia nifanendry teo afovoan’ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mivelatra elatra no nametrahan’i Salômôna ireo kerobima ireo, tao afovoan’ny trano anatiny, ka ny elatry ny anankiray nipaka tamin’ny rindrina iray, ary ny elatry ny kerobima iray nipaka tamin’ny rindrina hafa, ny ila elany sisa kosa nifanendry sahabo ho eo afovoan’ny trano,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Napetraka teo afovoan’ny efitrano misy ny Vatamasina ny kerobima; ary natao mivelatra ny elany, ka ny ilany samy nipaka tamin’ny rindrina an-kilany sy an-daniny avy, ary ny elatra roa hafa kosa dia nifanendry teo afovoan’ny efitrano.
Malagasy Bible 1865
Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.