1 Kings 6:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nasiany lelam-baravarana kopa-droa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy ny varavarana mankao amin’ny efitra masina indrindra, koa ny tolanany sy ny momba azy dia ampahadimin’ny sakan’ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny varavaran’ny Fitoerana Masina nasiany lela varavarana vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, ary feno ny tolàna sy ny momba azy ny ampahadimin’ny rindrina nisy azy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasiana varavarana kopa-droa vita tamin’ny hazo ôliva ny mankao amin’ny efitrano misy ny Vatamasina, ka ny tataony sy ny tolàny dia ampahadimin’ny sakan’ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nasiany lelam-baravarana kopa-droa vita amin’ny hazo oliva maniry ho azy ny varavarana mankao amin’ny efitra masina indrindra, koa ny tolanany sy ny momba azy dia ampahadimin’ny sakan’ny Trano.
malagasy
Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.[palma]