1 Kings 6:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lelam-baravarana kopa-droa dia vita amin’ny oliva maniry ho azy. Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mamelana izany dia nopetahany volamena manify ny kerobima sy ny hazo palma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ny lela varavarana kopa-droa natao tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, nasainy nisokirana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra, ary nopetahany volamena, nataony mahazo ny kerobima sy ny rofia ny volamena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lela-varavarana kopa-droa vita tamin’ny hazo ôliva dia nisokirana sarina kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, izay samy nopetahana takela-bolamena; ka nokaliana ny fametahana izany tamin’ny kerobima sy ny hazo rofia.
Malagasy Bible 1865
Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lelam-baravarana kopa-droa dia vita amin’ny oliva maniry ho azy. Nosokirany sarin’ny kerobima sy hazo palma ary voninkazo mamelana izany dia nopetahany volamena manify ny kerobima sy ny hazo palma.
malagasy
Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.[palma]