1 Kings 6:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’ny volana Bola, izay volana fahavalo, tamin’ny taona fahiraika amby folo, no nahavitany ny Trano araka ny fombany rehetra sy ny antsipiriany rehetra. Fito taona no nanaovany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary tamin’ny taona faha-11, volana bola, izay volana fahavalo, vao vita izy amin’ny zavatra rehetra iforonany, araka ny mahamety azy. Tao anatin’ny fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’ny taona faha-11, fony volana Bola na volana faha-8, no nahavitan’izany an-tsakany sy an-davany tamin’ny fombany rehetra. Fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’ny volana Bola, izay volana fahavalo, tamin’ny taona fahiraika amby folo, no nahavitany ny Trano araka ny fombany rehetra sy ny antsipiriany rehetra. Fito taona no nanaovany azy.
malagasy