1 Kings 6:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny nanaovana ny Trano dia vato efa voapaika hatrany an-tsaha fipeham-bato no nanaovany azy ka tsy nisy feon’ny tantanana na fandraka na fiasana vy re tao amin’ny Trano tamin’ny nanaovany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha natao ny trano, dia vato voavoatra hatrany amin’ny tany fihadiam-bato no nanaovana azy, ka tsy nisy feon-tantanana na famaky na fandraka na fiasana vy, na inona na inona, re tao an-trano tamin’ny nandrafetana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fanaovana ny tempoly, dia vato voapaika avy tany amin’ny fihadiam-bato no nampiasaina, hany ka tsy nandrenesana feon-tantanana na fandraka na fiasana vy hafa tao amin’ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny nanaovana ny Trano dia vato efa voapaika hatrany an-tsaha fipeham-bato no nanaovany azy ka tsy nisy feon’ny tantanana na fandraka na fiasana vy re tao amin’ny Trano tamin’ny nanaovany azy.
malagasy