1 Kings 7:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana manodidina ny kianja lehibe, tahaka ny amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO, ary amin’ny lalantsara fidirana amin’ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny manodidina ny tokotany lehibe, dia nisy vato voapaika telo andalana sy sakamandimby sedera iray andalana tahaka ny kianja eo anatin’ny tranon’i Iaveh, sy tahaka ny trano hevan’ny trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary manodidina ny kianja lehibe dia nisy tamboho natao vato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana, tahaka ny tamin’ny kianja anatin’ny tranon’ny TOMPO sy tamin’ny lalantsara fidirana mankao.
Malagasy Bible 1865
ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana manodidina ny kianja lehibe, tahaka ny amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO, ary amin’ny lalantsara fidirana amin’ny Trano.
malagasy