1 Kings 7:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanangana ilay trano Alan’i Libanona izy aloha; zato hakiho ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony ambonin’ny andry sedera efatra andalana. Nisy rairainy sedera teo ambonin’ny andry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ilay trano Alan’i Libàna izy, ka zato hakiho ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny haavony; andry sedera efatra andalana no nanohana azy, ary rairainy sedera no tambonin’ny andry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naorina aloha ilay trano nantsoina hoe «Ny Alan’i Libano», izay nirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony. Io trano io dia naorina tambonin’ny andry efatra miandalana vita tamin’ny vatan-kazo sedera notaingenana rairainy sedera.
Malagasy Bible 1865
Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanangana ilay trano Alan’i Libanona izy aloha; zato hakiho* ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony ambonin’ny andry sedera efatra andalana. Nisy rairainy sedera teo ambonin’ny andry.
malagasy
Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.