1 Kings 7:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lohany teo an-tampon’ny andry roa dia nohodidinin’ny sarin’ampongabendanitra roanjato nilahatra teo ambony, teo akaikin’ny kibony sy tany ambadiky ny harato; toy izany koa tamin’ny lohany iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny koronosy nataingina eo ambonin’ny andry roa dia voahodina voan’ampongabendanitra roan-jato, eny ambony, anilan’ny mivohitra an-koatra ny harato; voahodidina voan’ampongabendanitra roan-jato mitandahatra koa ny koronosy anankiray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo ambonin’ireo koronosy ireo dia nisy faritra mivohitra izay any an-koatry ny harato sy ny ampongabendanitra roanjato mitandahatra manodidina ny koronosy tsirairay.
Malagasy Bible 1865
ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lohany teo an-tampon’ny andry roa dia nohodidinin’ny sarin’ampongabendanitra roanjato nilahatra teo ambony, teo akaikin’ny kibony sy tany ambadiky ny harato; toy izany koa tamin’ny lohany iray.
malagasy
ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.