1 Kings 7:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanamboatra ny koveta lehibe boribory voarendrika koa izy ka folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony ary telopolo hakiho ny manodidina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanao ny ranomasina anidina izy, folo hakiho ny habeny, hatramin’ny molony iray ka hatramin’ny molony iray, boribory ny tenany manontolo, dimy hakiho ny haavony, kofehy 30 hakiho no naharefy manodidina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Hirama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony ary 15 metatra ny morony manodidina azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanamboatra ny koveta lehibe boribory voarendrika koa izy ka folo hakiho* no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony ary telopolo hakiho ny manodidina azy.
malagasy
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. [Heb. ranomasina]