1 Kings 7:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy sarim-boatango manodidina azy, folo teny amin’ny hakiho iray manodidina ny koveta lehibe, teo ambanin’ny molotry ny koveta lehibe; ny sarim-boatango dia roa andalana ary niara-narendriny tamin’ny koveta lehibe izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy voatango nanodidina azy tambanin’ny molony, folo no tamin’ny iray hakiho, ary roa andalana izy no nanodidina ny ranomasina manontolo; indray natao anidina taminy ny voatango, ka iray tena taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tambanin’ny molotr’ilay fitobian-drano goavana, tamin’ny manodidina azy manontolo, dia nisy sarim-boatango folo isaky ny antsasa-metatra; roa andalana nifanongoa ireo ary niara-narendrika tamin’ilay fitobian-drano.
Malagasy Bible 1865
Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy sarim-boatango manodidina azy, folo teny amin’ny hakiho iray manodidina ny koveta lehibe, teo ambanin’ny molotry ny koveta lehibe; ny sarim-boatango dia roa andalana ary niara-narendriny tamin’ny koveta lehibe izany.
malagasy
Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano. [Heb. ranomasina]