1 Kings 7:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Io koveta lehibe io dia nipetraka teo ambonin’ny sarin’omby roa amby folo; ny telo dia nanatrika ny avaratra, ny telo dia nanatrika ny andrefana, ny telo dia nanatrika ny atsimo ary ny telo dia nanatrika ny atsinanana; teo ambonin’ireo ny koveta lehibe ary nifampiamboho izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Omby 12 no nanaingenana azy; telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, telo nanatrika ny atsinanana, teo ambonin’izy ireo ny ranomasina; ary ny tapany aoriana rehetra amin’ny vatany dia tao ampovoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tambony sarin’ombilahy halimo 12 no nametrahana ilay fitobian-drano; ka ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo ary ny telo nitodika niantsinanana. Eny, ilay fitobian-drano goavana dia teo ambonin’ireo sarin’ombilahy izay nifampiamboho ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Io koveta lehibe io dia nipetraka teo ambonin’ny sarin’omby roa amby folo; ny telo dia nanatrika ny avaratra, ny telo dia nanatrika ny andrefana, ny telo dia nanatrika ny atsimo ary ny telo dia nanatrika ny atsinanana; teo ambonin’ireo ny koveta lehibe ary nifampiamboho izy rehetra.
malagasy
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra. [Heb. ranomasina]