1 Kings 7:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hateviny dia felatanana iray ary tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, tahaka ny vonin’ny lisy; nahalany roa arivo bata izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vody voampelatanana no hateviny, sahala amin’ny molo-kapoaka, manahaka ny vonin’ny lisy ny molony; rano roa arivo bata no laniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hateviny dia valo santimetatra, ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 90 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hateviny dia felatanana iray ary tahaka ny molotry ny kapoaka ny molony, tahaka ny vonin’ny lisy; nahalany roa arivo bata* izany.
malagasy
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.