1 Kings 7:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tamin’ny atiny izay nohodidinin’ny sisiny dia nisy sarin’ny liona sy omby ary kerobima; teo ambonin’ny sisiny koa dia nisy faladiany; ary teo ambanin’ny sary liona sy omby dia nisy rojo mihantona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nisy liona sy ombalahy sy kerobima tambonin’ny panoa iray izay tafiditra anelanelan’ny batàna; nisy faladiany tambonin’ny batàna, ary nisy tanjomiolaka nihantona tambanin’ny liona sy ombalahy ary kerobima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady noravahana sarina liona sy ombilahy ary kerobima; dia voaravaka tahaka izany koa ny tanja-drafitra ambony, ary teo ambanin’ny sarina liona sy ombilahy dia nisy karazana fesitaonina mihantona.
Malagasy Bible 1865
ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tamin’ny atiny izay nohodidinin’ny sisiny dia nisy sarin’ny liona sy omby ary kerobima; teo ambonin’ny sisiny koa dia nisy faladiany; ary teo ambanin’ny sary liona sy omby dia nisy rojo mihantona.
malagasy
ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.