1 Kings 7:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vavan’ny koveta dia teo anatin’ny sisiny izay nihoatra hakiho iray teo ambonin’io; hakiho iray sy tapany kosa sady boribory ny vavany; tamin’ny vavany koa dia nisy soratra, ary efa-joro ny sisiny fa tsy boribory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny tampon’ny tongony sy ao anatiny, nisy ny loaka fandraisana ny fitoeran-drano, iray hakiho no halaliny; boribory izany loaka izany, mitarehina fototr’andry, ary iray hakiho sy sasany ny habeny; ary nisy zavatra voasikotra tamin’izany loaka izany; ny panoa dia efa-joro fa tsy boribory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny faritra ambonin’ny kalesy dia nisy vavany boribory mitovona dimampolo santimetatra izay natao handraisana kovetabe; io vavany io dia mirefy 75 santimetatra ny savaivony. Ny faritra mihoatra ny tanja-drafitra dia efamira fa tsy boribory, ary voaravaka sary sokitra amin’ny takelaka halimo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vavan’ny koveta dia teo anatin’ny sisiny izay nihoatra hakiho iray teo ambonin’io; hakiho iray sy tapany kosa sady boribory ny vavany; tamin’ny vavany koa dia nisy soratra, ary efa-joro ny sisiny fa tsy boribory.
malagasy