1 Kings 7:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny kodiarana efatra dia teo ambanin’ireo atiny ary ny fihazonana ny tanan-kodiarana dia nikambana tamin’ny fitoeran’ny koveta ihany; hakiho iray sy tapany ny haavon’ny kodiarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tambanin’ny panoa ny kodiarana efatra ary niraikitra tamin’ny tongotra ny lahin-tangerin’ny kodiarana, iray hakiho sy sasany avy no haavon’ny kodiarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny kodiarana efatra dia tao ambanin’ny tanja-drafitra; ary ny lahin-tangerina dia niraikitra tamin’ny tanjan-kalesy. Nirefy 75 santimetatra ny savaivon’ny kodiarana;
Malagasy Bible 1865
Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny kodiarana efatra dia teo ambanin’ireo atiny ary ny fihazonana ny tanan-kodiarana dia nikambana tamin’ny fitoeran’ny koveta ihany; hakiho iray sy tapany ny haavon’ny kodiarana.
malagasy
Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.