1 Kings 7:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny amin’ny kodiaran-kalesy ny fomban’ny kodiarana: Ny tanany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tana-masoandrony ary ny foitrany dia nataony tamin’ny varahina avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natao toy ny kodiaran’ny kalesy ihany ny kodiarana, ary anidina avokoa ny lahin-tangerina, ny hazon-kodiarany, ny tanan-kodiarany, ary ny foibeny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tahaka ny kodiaran-kalesy ihany no nanaovana azy: na ny atikodiarana na ny sisiny na ny tanany na ny foibeny dia samy halimo voarendrika avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny amin’ny kodiaran-kalesy ny fomban’ny kodiarana: Ny tanany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tana-masoandrony ary ny foitrany dia nataony tamin’ny varahina avokoa.
malagasy
Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.