1 Kings 7:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amin’ny tapany ambony amin’ny fitoeran’ny koveta dia nisy boribory manodidina, antsasaky ny hakiho ny haavony; teo amin’ny tapany ambony amin’ny fitoeran’ny koveta koa dia nisy fihazonana, ary ny atiny dia narendrika hiray aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tampon-dohan’ny tongotra dia nisy fehim-barìka, ka antsasa-kakiho ny haavony, ary tao an-tampon’ny tongotra, dia iray tena ihany ny fitehenany sy ny panoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tampon’ny kalesy tsirairay dia voaravaka fehy boribory nirefy 25 santimetatra ny sakany ary nanodidina ny molony. Teo amin’izany tampony izany koa dia nisy fihazonana izay nitambatra tamin’ny tanja-drafitry ny kalesy.
Malagasy Bible 1865
Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amin’ny tapany ambony amin’ny fitoeran’ny koveta dia nisy boribory manodidina, antsasaky ny hakiho ny haavony; teo amin’ny tapany ambony amin’ny fitoeran’ny koveta koa dia nisy fihazonana, ary ny atiny dia narendrika hiray aminy.
malagasy